4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - Mamy kely

Mitovy tsy misy valaka

Na ny lahy na ny vavy

Kanefa misy ny manavakavaka

Ny zon’ny lahy sy ny vavy

Tadidio tsara sy ataovy ao anatin’ny loha

Fa ny vehivavy dia manana ny zoany tokoa





REF:   Nahitana masoandro izy ireny

       Izany no iantsoana azy hoe Neny

       Ka tena tiavina sy maha saro-piaro tokoa

       Omena fitiavana eran’ny fo

       na dia maro aza ireo tia anao eto antany

       tsy misy manana fitiavana toa an’ny mama izany





Ekena fa ny ray tokoa no naha olona

Eny misasatra ihany koa mamelona ny ankohonana

Na dia izany aza anefa aoka ho tsaroana

I Neny no tena lahoana

Eo amin’ny fikarakarana ny vatanao

mandany ny androm-piainany izy

mba ahasoa ilay naterany



REF:   Nahitana masoandro izy ireny

       Izany no iantsoana azy hoe Neny

       Ka tena tiavina sy maha saro-piaro tokoa

       Omena fitiavana eran’ny fo

       na dia maro aza ireo tia anao eto antany

       tsy misy manana fitiavana toa an’ny MAMA izany





Ka aoka tsy ho adino mandrakizay ny reny

na dia tsy eo akaikinao intsony aza

ary tsarovy fa i neny irery

no nikolokolo anao fony mbola zaza



REF:   Nahitana masoandro izy ireny

       Izany no iantsoana azy hoe Neny

       Ka tena tiavina sy maha saro-piaro tokoa

       Omena fitiavana eran’ny fo

       Na dia maro aza ireo tia anao eto antany

       Tsy misy manana fitiavana toa an’ny mama izany



Ka tiavo izy ary aza adino








Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy kely